Ilay Tontolo Vaovao HANDEFA Ilay Tontolo Vaovao Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary Haka: Tononkira Misy Naoty 1. Alefaso kely ange ny sainao: Feno ankizy ao andrefana ao milalao, Tsisy tahotra intsony. Ny alahelo izany, tsisy tsaroany. Mamboly indray no asan’ny olon-drehetra. Olo-marina ireo sady tsara toetra. Dia ho fiadanana foana, Ny andro sy ny volana ary ny taona. Tena tiany ianao, Tiany ho hitanao dieny ’zao Ilay tontolo vaovao. (FIVERENANA) Ho feno fanantenana Miredareda ao anatinao. Hitsiky indray ’lay fo mitalaho, Ka saintsaino, andrandrao Ilay tontolo vaovao. 2. Iny lalan-kely amoron-drano iny, Ao ’lay tranonareo ao, ’lay toerana kanto. Iny misy vahiny, ’Lay tsaroanao foana tato ho ato. Ny fidoboky ny fony, Maika ny hofihininao indray, Dia tsy hisaraka intsony. Ho ranomasom-pifaliana anie izay. Na ny fasana aza Ho foana ary ho lao, Satria tontolo vaovao. (FIVERENANA) Ho feno fanantenana Miredareda ao anatinao. Hitsiky indray ’lay fo mitalaho, Ka saintsaino, andrandrao Ilay tontolo vaovao. (TETEZANA) Jehovah efa niteny, Ireny rehetra ireny mbola homeny. Hotanterahiny koa ’Zay nofinofy mba nirin’ny fo. (FIVERENANA) Ho feno fanantenana Miredareda ao anatinao. Hitsiky indray ’lay fo mitalaho, Ka saintsaino, andrandrao Ilay tontolo vaovao, Ilay tontolo vaovao, Ilay tontolo vaovao, Ilay tontolo vaovao. Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Ilay Tontolo Vaovao HIRA Ilay Tontolo Vaovao Tenin’ny Tanana Malagasy Ilay Tontolo Vaovao https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1014323/univ/art/1014323_univ_sqr_xl.jpg