Manatòna An’Andriamanitra

Manatòna An’Andriamanitra

Haka:

  1. 1. Voronkely irery,

    Very akany, tsy nisy ny atao hoe mahatamana.

    Natahotra aho, tsy nisy mpiahy.

    Soa Jehovah teo, nandray ahy.

    Iny izy fa namihina ahy,

    Nihaino an’ahy, nampionona ahy.

    (FIVERENANA)

    Hozy hoe mba avia, avia, avia atỳ

    F’izay lasa aleo ho any.

    Dia ’zaho hanampy, tena hanampy

    Hanoro anao ’zay soa sy tsara.

    Ka mba avia àry atỳ.

  2. 2. Mitanondrika aho

    Indraindray, mahatsiaro ireo diso vita taloha.

    Manameloka ahy ny foko.

    Fa mivavaka aho mba ho tony.

    “Ianao ’nie lehibe noho ny foko,

    Namela ahy, ka ’zaho tsy hanahy.”

    (FIVERENANA)

    Hozy hoe mba avia, avia, avia atỳ

    F’izay lasa aleo ho any.

    Dia ’zaho hanampy, tena hanampy

    Hanoro anao ’zay soa sy tsara.

    Ka mba avia àry atỳ.

    (TETEZANA)

    Nasehony ahy fa ’zaho ’nie tiany

    Na dia tsy nahalala.

    Mpihaino vavaka izy ka

    Tsy foiko, tsy hivadika aho.

    (FIVERENANA)

    Hozy hoe mba avia, avia, avia atỳ

    F’izay lasa aleo ho any.

    Dia ’zaho hanampy, tena hanampy

    Hanoro anao ’zay soa sy tsara.

    Ka mba avia àry atỳ.