Mba ho any Amin’iza Moa? HANDEFA Mba ho any Amin’iza Moa? Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary Haka Tononkira Misy Naoty 1. Raha vao reko manako Miantso mafy ilay feo, Dia fantatro fa ’Zay ’lay tena Mpiandry ahy. Ny lalana ombako: Izy no eo aloha eo. Atorony ahy raha Mety hisy hamingana ahy. Fa tsisy ataoko hampiala ahy ’Zay feo mampisalasala. Feon’olon-kafa ireny, Ny hampianjera ahy no kendreny. (FIVERENANA) Mba ho any amin’iza moa? Aleo Kristy no ekeko ho Mpiandry ahy! Raha hiala aho dia ho aiza moa? Hiafara any an-kady aho Fa haiko sahady a! Tsy hamadika azy aho, tsia! Sanatria! 2. Maitso mavana sady Amoron’ny ony koa ny any, Mahatsiaro ho voaro, Lavitry ny fahavalo. Santionan’ny hoavy Mbola hiainako izany: Ilay nofy efa tsy andry Hefain’ilay Mpiandry. ’Zaho tsy hanaiky hiala Raha feo mampisalasala ahy. Feon’olon-kafa ireny, Ny hampianjera ahy no kendreny. (FIVERENANA) Mba ho any amin’iza moa? Aleo Kristy no ekeko ho Mpiandry ahy! Raha hiala aho dia ho aiza moa? Hiafara any an-kady aho Fa haiko sahady a! Tsy hamadika azy aho, tsia! Sanatria! (FIVERENANA) Mba ho any amin’iza moa? Aleo Kristy no ekeko ho Mpiandry ahy! Raha hiala aho dia ho aiza moa? Hiafara any an-kady aho Fa haiko sahady a! Tsy hamadika azy aho, tsia! Sanatria! Raha hiala aho dia ho aiza moa? Sanatria raha izy no hafoiko oooooooooo! Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Mba ho any Amin’iza Moa? HIRA Mba ho any Amin’iza Moa? Tenin’ny Tanana Malagasy Mba ho any Amin’iza Moa? https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1014366/univ/art/1014366_univ_sqr_xl.jpg