Ny Namako Eran-tany HANDEFA Ny Namako Eran-tany Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary Haka: Tononkira Misy Naoty 1. Tafiotra sa tadio ve No miady amintsika? Efa hatram’izay anie ‘Reo fahavalo no nasiaka. Nefa isika tsy hamoy fo, Dia tsy ho kivy velively; Fa Jehovah hanohana antsika, N’inona fiadiana hamely. (FIVERENANA) N’aiza ianao, tsy miady irery; Ny namanao, maneran-tany. Dia Jehovah Ray Mahery No hampitraka antsika hatrany. ’Sika anie tsy ho resy ‘zany! 2. Jehovah efa nilaza Fa hitondra famonjena. Sady izy no Avo Indrindra, Ho fialofana, ho fierena. Dia antsoiny hoe olony isika; Tena tiany ka tsy hariany. Ny fanahiny omeny hampahery ‘Reo vahoaka nofidiny. (FIVERENANA) N’aiza isika tsy irery; Ny namantsika, eran-tany. Dia Jehovah Ray Mahery No hampitraka antsika hatrany. (TETEZANA) Hiara-hijoro isika, Tsy hatahotra fahavalo. Ny fontsika feno toky... Manana Ray tena miaro. (FIVERENANA) Izahay tsy miady irery; Ny namanay, maneran-tany. Dia Jehovah Ray Mahery No hampitraka anay hatrany. Fandresena no hiafarany! Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Ny Namako Eran-tany HIRA Ny Namako Eran-tany Tenin’ny Tanana Malagasy Ny Namako Eran-tany https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1014345/univ/art/1014345_univ_sqr_xl.jpg