Omeo Herim-po Aho HANDEFA Omeo Herim-po Aho Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (2 Mpanjaka 6:16) Haka: Tononkira Misy Naoty 1. Inona àry no hiseho? Matahotra aho, manahy. Nefa tsapako eo akaiky eo Ianao mitantana ahy. Mafy ny ady hosetraiko, Mahery ireo hiadiako. Nefa eo an-tananao ny aiko, Ianao no itokiako. (Fiverenana) Jehovah, hatanjaho ny foko Hatoky foana hoe: Na dia maro ireo fahavalo, Ny momba ahy be dia be. Omeo herim-po aho, Hijoro ka ho sahy. Mba omeo herim-po aho, F’ianao no miady ho ahy. 2. Fantatro hoe malemy aho Raha tsy eo ianao hanampy. Nefa ny alokao no miaro ahy, Ianao no Vatolampy. Efa vonona aho ’zao Handeha hisetra onja. ’Zay mangeja ahy hovahanao, Na fasana io, na fonja. (Fiverenana) Jehovah, hatanjaho ny foko Hatoky foana hoe: Na dia maro ireo fahavalo, Ny momba ahy be dia be. Omeo herim-po aho, Hijoro ka ho sahy. Mba omeo herim-po aho, F’ianao no miady ho ahy. (Fiverenana) Jehovah, hatanjaho ny foko Hatoky foana hoe: Na dia maro ireo fahavalo, Ny momba ahy be dia be. Omeo herim-po aho, Hijoro ka ho sahy. Mba omeo herim-po aho, F’ianao no miady ho ahy. Mba omeo herim-po aho, F’ianao no miady ho ahy. Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Omeo Herim-po Aho Omeo Herim-po Aho Tenin’ny Tanana Malagasy Omeo Herim-po Aho https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1014269/univ/art/1014269_univ_sqr_xl.jpg