Rehefa Lavo dia Mianara HANDEFA Rehefa Lavo dia Mianara Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary Haka: Tononkira Misy Naoty 1. ’Zay rehetra eto an-tany Tsisy hoe tsy lavo izany, Resy hatrany hatrany Fa olombelona ihany. Ianao aloha ’zao no voa, Nefa atrakao ny loha; Dia mianara na tsy zaka, Ary avelao i Jehovah hampitraka. (FIVERENANA) Aza kivy, mitsangàna, Fa ny ratsy azo ialana. Rehefa lavo dia mianara, Ary ovao ny tantara. Matokia, eo ilay Ray, Ka ny ao am-po aborahy. Ny tananao omeo, Fa hampiany ianao avy eo, Dia hatanjaka indray. 2. Dia tonga indray ny maraina, Ny fonao te hitaraina. ’Reny vita rehetra ireny Manaraka anao eny. Io aloha tsy azo ovana, Jehovah azo izarana. Ny Teniny eo ka zahao, F’hanampy anao sy hanoro hoe ’zao atao. (FIVERENANA) Aza kivy, mitsangàna, Fa ny ratsy azo ialana. Rehefa lavo dia mianara, Ary ovao ny tantara. Matokia, eo ilay Ray, Ka ny ao am-po aborahy. Ny tananao omeo, Fa hampiany ianao avy eo. (TETEZANA) Tadidio fa ilay Rainao Lehibe noho ny fonao. Dia tena tiany ianao raha miova amin’izao Ho olom-baovao. (FIVERENANA) Aza kivy, mitsangàna, Fa ny ratsy azo ialana. Rehefa lavo dia mianara, Ary ovao ny tantara. Matokia, eo ilay Ray, Ka ny ao am-po aborahy. Ny tananao omeo, Fa hampiany ianao avy eo. Dia hatanjaka indray. Olom-baovao amin’izay! Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Rehefa Lavo dia Mianara HIRA Rehefa Lavo dia Mianara Tenin’ny Tanana Malagasy Rehefa Lavo dia Mianara https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1014358/univ/art/1014358_univ_sqr_xl.jpg