HIRA 158

“Tsy ho Tara Izany”!

“Tsy ho Tara Izany”!

(Habakoka 2:3)

  1. 1. Ny asa tananao

    tena nokalina,

    Endrey ny hatsarany!

    Fa kanto, mahasondriana.

    Simba izao ny tany,

    fa tsy miova ianao.

    Maharitra miandry,

    hanova azy ho vaovao.

    (FIVERENANA)

    Ray ô, tsy andrinay

    ’zay paradisa izay,

    Mba ampio ’zahay hahay hiandry.

    Fa ho toy ny masoandro

    miposaka isan’andro,

    ’Lay andronao ho avy ihany,

    Dia “tsy ho tara izany”!

  2. 2. Mba rahoviana ihany

    ilay andro iray

    Hiantsoanao ny maty,

    dia ireo maminay?

    Hainay f’ianao koa

    manina azy ireo,

    Ampio ’zahay hiandry,

    ny fonay re toneo.

    (FIVERENANA)

    Ray ô, tsy andrinay

    ’zay paradisa izay,

    Mba ampio ’zahay hahay hiandry.

    Fa ho toy ny masoandro

    miposaka isan’andro,

    ’Lay andronao ho avy ihany,

    Dia “tsy ho tara izany”!

  3. 3. Dia hatramin’izao,

    mbola taominao

    ’Zay kivy any ho any,

    mangetaheta anao.

    Ilay vaovao tsara

    hotorinay koa,

    ’Zahay tsy ho variana,

    ho akaiky anao kokoa.

    (FIVERENANA)

    Ray ô, tsy andrinay

    ’zay paradisa izay,

    Mba ampio ’zahay hahay hiandry.

    Fa ho toy ny masoandro

    miposaka isan’andro,

    ’Lay andronao ho avy ihany,

    Dia “tsy ho tara izany”!

    Ray ô, ampio ’zahay mba hiandry!

(Jereo koa ny Kol. 1:11.)