HIRA 68

Afafazo ny Voan’ilay Fanjakana

Afafazo ny Voan’ilay Fanjakana

(Matio 13:4-8)

  1. 1. Ataovy ny asan’ny Tompo,

    Ary aza manahy fa hampiany;

    Sady efa nomeny modely,

    Koa araho akaiky ny diany.

    Andao àry isika hanao ’zay mba vita,

    Dia hiezaka hamafy ny voa.

    Ny marina ’zay torintsika, kendreo

    Mba hitsiry, hamaka ao am-po.

  2. 2. Ny voa kosa rehefa nafafy,

    Tsy maintsy koloina sy avaina;

    F’ianao rehefa miezaka mafy,

    Ireny tsy hoe very maina.

    Ampio ’reo tso-po ho tia sy hampihatra

    ’Zay rehetra lazain’ny Baiboly;

    Tsy ho kivin’izay fitsapana mihatra,

    Izy ireo koa ho lasa mpamboly.

(Jereo koa ny Mat. 13:19-23; 22:37.)