HIRA 88

Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

(Salamo 25:4)

  1. 1. Nasainao ’zahay, ry Jehovah Rainay,

    Ka tonga mivory eto androany.

    Ny Teninao re no ampianaro anay,

    Fa jiro manazava izany.

    (FIVERENANA)

    Atoroy ahy ireo fitsipikao,

    Ampahafantaro ahy ny lalanao.

    Ampio re aho ho tia ny fahitsiana;

    Ny didinao mitondra fifaliana.

  2. 2. Ny fahendrenao tsy mba ritra na oviana,

    Fa ny Teninao, loharano;

    Tianay ny hankatò, handray fanitsiana.

    Ny fonay, Jehovah, ampiofano!

    (FIVERENANA)

    Atoroy ahy ireo fitsipikao,

    Ampahafantaro ahy ny lalanao.

    Ampio re aho ho tia ny fahitsiana;

    Ny didinao mitondra fifaliana.