HIRA 86

Ampianarin’i Jehovah Isika

Ampianarin’i Jehovah Isika

(Isaia 50:4; 54:13)

  1. 1. Avia mba hianatra momba an’i Jehovah.

    “Avia hisotro amin’ny ranon’aina.”

    Ianarantsika ireo lalàny,

    ’Zay mahasoa sady tena ilaina.

  2. 2. Raha te handray ny fanahin’i Jehovah,

    Dia aza afoy mihitsy ireo fivoriana.

    Sady any isika mifankahita,

    Mahazo rahalahy sy fianakaviana.

  3. 3. ’Ndao koa mba hiaraka hidera an’i Jehovah,

    Dia hanao hira, hanome valin-teny.

    Ny fivoriana dia fitahiana,

    Ka satrinao foana ho tafaraka eny!

(Jereo koa ny Heb.10:24, 25; Apok. 22:17.)