HIRA 102

‘Ampio Ireo Mila Ampiana’

‘Ampio Ireo Mila Ampiana’

(Asan’ny Apostoly 20:35)

  1. 1. Tsisy hoe tsy manota izao

    Noho ny fahalemena;

    Fa tian’i Jehovah ihany,

    Tiany hovonjena.

    Ray tia mamindra fo!

    Ray tena tia tokoa!

    ’Ndao hanahaka Azy koa,

    Hifamindra fo.

  2. 2. ’Ndao àry hampiantsika ireo

    Osa ara-panahy.

    Omeo toky ireo ’zay kivy

    Sy ’reo ’zay manahy.

    Tian’i Jehovah ireny,

    Na dia mety hoe malemy.

    Mba henoy ’zay ao am-pony,

    Ampio izy hitony.

  3. 3. Aza manameloka azy,

    Aza manakiana.

    Hatsaram-panahy no ilainy,

    ’Zay no fanampiana.

    Mahareta f’aza kivy,

    Iantrao sy ampio re izy;

    Dia hatanjaka am’izay,

    Ilay ondry ’ray.