HIRA 118

“Ampitomboy ny Finoanay”

“Ampitomboy ny Finoanay”

(Lioka 17:5)

  1. 1. Jehovah ô, tsy lavorary ’zahay,

    Ny fo mamitaka raha tsy baikoina;

    Ka misy ota efa mpahazo anay,

    Dia izahay lasa tsy ampy finoana.

    (FIVERENANA)

    Ampitomboy ny finoanay, Jehovah.

    ’Zay ilainay, tsy miafina aminao.

    Ampitomboy, hatanjaho ny finoanay,

    Ho voninahitry ny anaranao.

  2. 2. Tsy maintsy mino ireo manatona anao

    Fa misy ianao, ’lay Ray mpamindra fo;

    Ka ny finoana, ampinga miaro anay mba

    Hatoky ’ndray f’ianao Mpamaly Soa.

    (FIVERENANA)

    Ampitomboy ny finoanay, Jehovah.

    ’Zay ilainay, tsy miafina aminao.

    Ampitomboy, hatanjaho ny finoanay,

    Ho voninahitry ny anaranao.