HIRA 87 Andao Haka Fampaherezana Mifidiana Raki-peo Andao Haka Fampaherezana Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Hebreo 10:24, 25) 1. Vao mainka miharatsy ity tontolo ity; ’Reo fakam-panahy mifanesy. Mila fanampiana àry ’sika satria Raha toa miady ’rery ho resy. Ireo fivoriana, fiarovana hatrany Mba tsy hihena ny finoantsika. Mandrisika amin’ny asa tsara izany, Sy mamelombelona antsika. Fa Jehovah mantsy no mandidy hoe: Mandehana foana mivory. Isika raha miezaka hanatrika anie, Tsy handao ny marina akory. 2. Raha mahay mandamina sy hendry ianao, Dia hanararaotra fotoana. Jehovah mahalala an’izay ilainao; Miezaha re mba hivory foana! Eo ny fampianaran’ny anti-panahy, ’Zay manampy sy mampahery. Eo koa ny fitiavan’ireo rahalahy; Isika anie tsy mba irery. Fa ny valisoa dia tsy lavitra intsony, Ef’akaiky ny fitahiana. Ilainao ny fahendrena avy any ambony, Atreho àry ireo fivoriana! (Jereo koa ny Sal. 37:18; 140:1; Ohab. 18:1; Efes. 5:16; Jak. 3:17.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Andao Haka Fampaherezana MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Andao Haka Fampaherezana (Hira 87) Tenin’ny Tanana Malagasy Andao Haka Fampaherezana (Hira 87) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016887/sign/wpub/1102016887_sign_sqr_xl.jpg sjj 87