HIRA 69

Andao Hiara-hientana Hitory Ilay Fanjakana!

Andao Hiara-hientana Hitory Ilay Fanjakana!

(2 Timoty 4:5)

  1. 1. Andao hiara-hientana hifanampy,

    Hitory ilay Fanjakana.

    Raha feno fitiavana ny fo,

    Hiteny fa tsy voatana;

    Satria tombontsoa ny mitory,

    Tiantsika ny mba hampiasaina.

    Ny anaran’i Jehovah Raintsika,

    Andao àry hankalazaina!

    (FIVERENANA)

    Andao torintsika

    fa tsy hazonintsika samirery!

    Andao torintsika

    fa Jehovah anie mbola hampahery!

  2. 2. Taotrano tsy efa raha irery,

    F’andao ’sika hiray hina.

    Isika rehetra samy ilaina,

    Hamita ny fitoriana.

    Ny rehetra tsy misy an-kifidy

    No mila mandre vaovao tsara.

    Jehovah tokoa manome hery,

    Koa aza manahy ’zay hambara.

    (FIVERENANA)

    Andao torintsika

    fa tsy hazonintsika samirery!

    Andao torintsika

    fa Jehovah anie mbola hampahery!