HIRA 130

Andao Hifamela

Andao Hifamela

(Salamo 86:5)

  1. 1. Jehovah tena tia

    Na tsy mendrika aza isika;

    Ka ny Zanany nomeny

    Mba hisolo ny helotsika.

    Raha mifona mantsy isika,

    Sady tena miova avy eo,

    Na dia fahotana be aza,

    Dia fafany toa tsy teo.

  2. 2. Na ’zany aza tsarovy

    Fa ’zay tsy manao am-po

    Sy mamela ny hafa ihany

    No mba hamindrana fo.

    Koa andao hifampizaka,

    Dia fitiavana no ampiharo.

    Aza tanisaina intsony

    Ny hadisoana kely maro.

  3. 3. Tena toetra faniry

    Ny mahay mamindra fo.

    Aza mba mifankahala,

    Na mitana lolompo.

    Manahafa an’i Jehovah,

    Ho mpamindra fo ianao.

    Hadinoy any ’zay ratsy,

    Ny fitia no ampanjakao.