HIRA 74 Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana! Mifidiana Raki-peo Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana! Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Salamo 98:1) 1. ’Ty hira ity dia hiram-pifaliana, Ho fiderana an’i Jehovah Ray. Ny Fanjakany hitondra fitahiana. Andao hihira hiaraka aminay! (FIVERENANA) ‘Jehovah Ray no ivavaho, Ka ny anarany derao. ’Zao hira izao no asainay hataonao; ’Lay Fanjakany re no mba hirao.’ 2. Hira vaovao tokoa no ambaranay ’zao, Satria Kristy dia hitondra ny tany. Mihira koa ’lay firenena vaovao, Mpiara-mandova an’ilay Fanjakany. (FIVERENANA) ‘Jehovah Ray no ivavaho, Ka ny anarany derao. ’Zao hira izao no asainay hataonao; ’Lay Fanjakany re no mba hirao.’ 3. Io hira io dia hira tsotra ihany; Izay manetry tena dia mahay. Koa maro be no mianatra an’izany, Ary manasa ny olon-kafa indray. (FIVERENANA) ‘Jehovah Ray no ivavaho, Ka ny anarany derao. ’Zao hira izao no asainay hataonao; ’Lay Fanjakany re no mba hirao.’ (Jereo koa ny Sal. 95:6; 1 Pet. 2:9, 10; Apok. 12:10.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana! MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana! (Hira 74) Tenin’ny Tanana Malagasy Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana! (Hira 74) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016874/sign/wpub/1102016874_sign_sqr_xl.jpg sjj 74