HIRA 24 Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah Mifidiana Raki-peo Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Isaia 2:2-4) 1. Indro, jereo ange ’Reo vahoaka maro be, Ho any an-tendrombohitr’i Jehovah avokoa. Indreo mifampitaona, Miakatra an’ireo havoana; Tonga satria maniry hanompo azy an-tsitrapo. Ianao ve mino hoe Ireo vitsy tokoa lasa arivo? Maro be no mandre; Fitahiana àry izao ka tsiahivo! Jereo ireo vaovao, Efa an-tapitrisa izao; Samy manaiky ny zon’i Jehovah hitondra. 2. Kristy mandidy hatrany: Mitoria maneran-tany. Lazao ny vaovao tsara momba ny Fanjakany. Ampio ireo tso-po Mba ho lasa mpankatò, Ary hampihatra izay lazain’ny Baiboly koa. Mifalia fa satria Mbola vahoaka be no miseho. Faly erỳ hiara-dia; Tombontsoa ny manampy azy ’reo! Andeha ka ambarao Izao fanasana izao: ‘Andao ho any an-tendrombohitr’i Jehovah.’ (Jereo koa ny Sal. 43:3; 99:9; Isaia 60:22; Asa. 16:5.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah (Hira 24) Tenin’ny Tanana Malagasy Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah (Hira 24) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016824/sign/wpub/1102016824_sign_sqr_xl.jpg sjj 24