HIRA 90

Andao Isika Hifampahery

Andao Isika Hifampahery

(Hebreo 10:24, 25)

  1. 1. Andao isika hifampahery

    Dia samy hanohy ny fanompoana,

    Mba tsy ho ketraka irery;

    Hiaraha-mizaka izay midona.

    Aleo mifankatia hatrany

    Mba samy hiaritra avokoa,

    Fa ny fiangonana ihany

    No miaro amin’izay manjo.

  2. 2. Milaza teny mampahery

    ’Reo namana ’zay tena tia,

    Sady amin’ny fotoana mety,

    Ka tsapanao fa tsara erỳ!

    Mahafaly koa ny miara-miasa

    Satria ny tanjona iray ihany.

    Na misy manavesatra aza,

    ’Ndao mba hifampitondra izany.

  3. 3. Ny farany efa manakaiky,

    Mitombo ireo zava-mahory.

    Vao mainka isika mila miaiky

    Fa tena ilaina ny mivory.

    Isika anie tsy miady ’rery,

    Satria vahoaka tafaray.

    Koa aoka samy hifampahery,

    Tsy hivadika mandrakizay!