HIRA 80

“Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah”

“Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah”

(Salamo 34:8)

  1. 1. Tianao ve ny fanompoana?

    Tombontsoa tsy manam-paharoa.

    ’Zay tsara aminao, ’zay sorona atao,

    Dia ho an’i Jehovah avokoa.

    (FIVERENANA)

    ‘Tsara Jehovah, andramo anie,

    Andramo dia ho hitanao.’

    Sambatra foana ’reo mahafoy tena

    Sy manao ’zay azo atao.

  2. 2. Ho sambatra sy tahina

    ’Reo mpanompo manontolo andro.

    Matoky izy ’reo fa Jehovah eo,

    Ka miahy sy manampy isan’andro.

    (FIVERENANA)

    ‘Tsara Jehovah, andramo anie,

    Andramo dia ho hitanao.’

    Sambatra foana ’reo mahafoy tena

    Sy manao ’zay azo atao.