HIRA 105

“Andriamanitra dia Fitiavana”

“Andriamanitra dia Fitiavana”

(1 Jaona 4:7, 8)

  1. 1. Ny fitiavan’i Jehovah

    Tsy mba hiova sanatria.

    Izy anie no miantso antsika

    Hoe: ‘Avia mba hiara-dia.’

    Tiany isika hanahaka azy,

    Koa miezaha hifankatia;

    Fomba fiaina tsara indrindra,

    Nampianarin’i Kristy.

  2. 2. Raha tianao tokoa Jehovah,

    Tianao koa ny namanao.

    Raha tianao ireo lalàny,

    Dia hanao ny tsara ianao.

    Aza mialona, aza miady!

    Mandefera ianao satria

    ’Zay no toetra tena ilaina;

    ’Zay no atao hoe tena tia.

  3. 3. Aza avela hibaiko anao ny

    Hambom-po sy lolompo.

    Angataho Jehovah Tompo

    Dia hampiany hamindra fo.

    ’Lay fitiavana ’zay tsotra,

    ’Lay fitiavana madio;

    ’Zay no andrasan’i Jehovah.

    Io fitiavana io tafio!