HIRA 82

‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’

‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’

(Matio 5:16)

  1. 1. Ny fahazavantsika,

    Aoka mba hiseho;

    Hampisinda an’izay

    Haizim-pito eo.

    Ho toy ny masoandro,

    Tsisy tsy iantefany;

    Ny Soratra Masina,

    Torio eran-tany.

  2. 2. ’Zay manaiky hihaino

    Dia mba ampionòny,

    Ka ny vaovao tsara,

    Hanako ao am-pony.

    Aleo izy hifidy

    Raha tia ny mazava,

    Fa ny fahamarinana,

    Torio lalandava.

  3. 3. Ny fahazavantsika

    Tsy hoe teny ihany,

    Hatsaram-panahy koa,

    Anehoana izany;

    Fa ny asa tsara

    Toy ny diamondra

    Mampamirapiratra

    An’ilay mitondra.