HIRA 55

Aza Matahotra Azy Ireo!

Aza Matahotra Azy Ireo!

(Matio 10:28)

  1. 1. Mahereza f’aza kivy,

    Ry mpanompo tena tiako.

    Matokia f’ianao hampiako,

    Ka torio ’zay nandidiako:

    Hoe Kristy efa nandresy

    ’Lay fahavalo mpanakiana,

    Ka tsy ho ela dia hamonjy

    ’Reo ’zay ela nijaliana.

    (FIVERENANA)

    Tiako ianao ka tena hampiako,

    Rehefa tojo sarotra.

    Sarobidy amiko ianao,

    K’aza mba matahotra.

  2. 2. Mety ho maro ny fahavalo

    ’Zay mandrahona anareo.

    Mody namana izy ireo,

    Nefa mampahory avy eo.

    Aza mba matahotra azy,

    Fa ny saina no hatanjaho.

    Mijoroa sy mifikira

    Satria ’zaho tsy mba mandao.

    (FIVERENANA)

    Tiako ianao ka tena hampiako,

    Rehefa tojo sarotra.

    Sarobidy amiko ianao,

    K’aza mba matahotra.

  3. 3. ’Zaho no hery sy ampinga,

    F’aza ketraka ianao.

    Tsisy hatahoranao,

    ’Zaho tsy hanadino anao.

    Mety hafoy tokoa ny aina

    Nefa tsy mandrakizay;

    Fa ’zay tsy mivadika dia

    Mbola hatsangana indray.

    (FIVERENANA)

    Tiako ianao ka tena hampiako,

    Rehefa tojo sarotra.

    Sarobidy amiko ianao,

    K’aza mba matahotra.