HIRA 124

Aza Mivadika Mihitsy!

Aza Mivadika Mihitsy!

(Salamo 18:25)

  1. 1. Amin’iza moa isika

    No tsy mba mivadika?

    Amin’ilay Avo Indrindra,

    Dia ’lay Mpanome ny aina.

    ’Sika efa nanokan-tena,

    Ka tsy hiova na oviana;

    Hanompo azy, ho tia azy,

    F’izy anie azo itokiana.

  2. 2. Amin’iza koa isika

    No tsy mba mivadika?

    Amin’ireo namantsika,

    Tsy mandao na sarotra aza.

    Mifanaja foana isika,

    Sy mifampatoky hatrany;

    Koa na faly na mijaly,

    Mbola mifanampy ihany.

  3. 3. Mankatoava lalandava

    An’ireo mitarika!

    Tena ilaina ny manaiky

    Ireo toromarika.

    Fa Jehovah tsy manary

    An’ireo ’zay mankatò.

    Hotahiny ’reo maniry

    Tsy hivadika ao am-po.