HIRA 144

Banjino Ilay Lokanao!

Banjino Ilay Lokanao!

(2 Korintianina 4:18)

  1. 1. Ireo jamba hahita riandrano,

    Ireo moana hihira, hikalokalo.

    Handehandeha ianao, tsy misy ahiahy.

    Ho maitso mavana ny saha.

    Ireo nodimandry hotsenaina,

    Dia ho faly hoe mamy izany miaina!

    (FIVERENANA)

    ’Zay no lova ho azon’izay mino,

    Ka ny lokanao no banjino!

  2. 2. Na ny bibidia aza tsy hasiaka;

    Hilalao, ho lasa namantsika.

    Dia ny ankizy hitarika azy ireny;

    Fiadanana hita taratra eny.

    Dia ho hadino izay nitomaniana,

    Hiova tsiky, sentom-pifaliana!

    (FIVERENANA)

    ’Zay no lova ho azon’izay mino,

    Ka ny lokanao no banjino!