HIRA 123

Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah

Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah

(1 Korintianina 14:33)

  1. 1. Notendrena isika hitory eran-tany,

    Momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany.

    ’Ndao mba hiray saina, hifandray am-po,

    Tsy hivadika fa hiezaka hankatò.

    (FIVERENANA)

    Miaro antsika sy tia antsika

    Jehovah Ray Tsitoha.

    Ekeo hatrany ny fahefany,

    Mifikira amin’ny fo.

  2. 2. Mampahery antsika ny fanahy omeny,

    Eo koa ’lay mpanompo efa notendreny.

    ‘Tsy mba hiala isika!’, ’Zay no tadidio.

    Ny fon’i Jehovah no ampifalio.

    (FIVERENANA)

    Miaro antsika sy tia antsika

    Jehovah Ray Tsitoha.

    Ekeo hatrany ny fahefany,

    Mifikira amin’ny fo.