HIRA 104

Fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina

Fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina

(Lioka 11:13)

  1. 1. Jehovah Ray ô, ny fahadisoanay

    Toa mitambesatra ao an-tsainay.

    Mba aza hadino, ampio mba hino

    Hoe ianao dia lehibe noho ny fonay.

  2. 2. ’Zahay ’nie, Jehovah, malemy ihany,

    Manao ’zay mampalahelo anao.

    Koa mba miangavy, tariho hatrany

    Amin’ny alalan’ny fanahinao.

  3. 3. Ianao, Jehovah, no antenainay;

    Fa kivy anie ka mahatsiaro ho very.

    Dia ny fanahy no hampahery anay,

    Hatanjaka toy ny voromahery.