HIRA 35

‘Fantaro Tsara Izay Zava-dehibe Kokoa’

‘Fantaro Tsara Izay Zava-dehibe Kokoa’

(Filipianina 1:10)

  1. 1. Ilaina izao ny mahay manavaka

    Izay tsy maintsy ataonao.

    Fantaro aloha ’zay zava-dehibe,

    ka ny ankoatr’izay avelao.

    (FIVERENANA)

    Tiavo izay tsara, ’Zay no fidio,

    Ankamamio.

    Ny fon’i Jehovah no ampifalio.

    Ny ratsy ialao,

    Zava-dehibe ihany aloha atao.

  2. 2. Ny asa mila ataontsika dia ny

    Mitory ’lay Fanjakana.

    Karohy ireo mitady ny marina,

    mila fanantenana.

    (FIVERENANA)

    Tiavo izay tsara, ’Zay no fidio,

    Ankamamio.

    Ny fon’i Jehovah no ampifalio.

    Ny ratsy ialao,

    Zava-dehibe ihany aloha atao.

  3. 3. Avaho àry izay zava-dehibe,

    Ka tandremo, aza afangaro.

    Dia ho afa-po sy ho sambatra ianao

    ka ny fo sy saina ho voaro.

    (FIVERENANA)

    Tiavo izay tsara, ’Zay no fidio,

    Ankamamio.

    Ny fon’i Jehovah no ampifalio.

    Ny ratsy ialao,

    Zava-dehibe ihany aloha atao.