HIRA 81 Ny Fiainan’ny Mpisava Lalana Mifidiana Raki-peo Ny Fiainan’ny Mpisava Lalana Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Mpitoriteny 11:6) 1. Mbola maizina ny andro, mbola tsy eo ny masoandro, Dia manainga aho anio, Jehovah ô, mba tahio ’zay hatao. Tonga eo aho mba hizara, hanome vaovao tsara. Na liana izy na tsia, dia mitsiky aho satria tiako izao. (FIVERENANA) ’Zay no asa iriko, ’Zay no fiainana tiako. Vonona aho raha vao irahinao. Ka na mora na mafy, Miaritra aho fa tsy mihafy; Satria ’zao no tiako ho tsapanao: “Tiako ianao.” 2. Efa hariva ny andro, efa mody masoandro, Vao mamonjy fodiana ary feno hafaliana, afa-po. Eny, vizana androany, fa ’lay tsiky eny ihany. Faly aho fa tahinao, sady mbola omenao tombontsoa. (FIVERENANA) ’Zay no asa iriko, ’Zay no fiainana tiako. Vonona aho raha vao irahinao. Ka na mora na mafy, Miaritra aho fa tsy mihafy; Satria ’zao no tiako ho tsapanao: “Tiako ianao.” (Jereo koa ny Jos. 24:15; Sal. 92:2; Rom. 14:8.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Ny Fiainan’ny Mpisava Lalana MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Ny Fiainan’ny Mpisava Lalana (Hira 81) Tenin’ny Tanana Malagasy Ny Fiainan’ny Mpisava Lalana (Hira 81) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016881/sign/wpub/1102016881_sign_sqr_xl.jpg sjj 81