HIRA 142

Fikiro Mafy Ilay Fanantenana

Fikiro Mafy Ilay Fanantenana

(Hebreo 6:18, 19)

  1. 1. Miezaka ny olona saingy tsy mahomby,

    Ny fitondrany dia zava-poana ihany.

    Samy mpanota ireo ka tsy mahavonjy,

    Ho very maina ny fikasany.

    (FIVERENANA)

    ’Lay Fanjakana no fanantenana;

    Hanala ny tahotra, hanao fanovana.

    Koa mifalia fa manjaka i Kristy!

    ’Lay fanantenana aza afoy, sanatria!

  2. 2. Be no misento hoe: ‘Jehovah ô, mba rahoviana?’

    Ny tena farany efa tsy ho ela intsony.

    Tena hesoriny ireo fijaliana,

    Koa derao izy ary ekeo ny zony!

    (FIVERENANA)

    ’Lay Fanjakana no fanantenana;

    Hanala ny tahotra, hanao fanovana.

    Koa mifalia fa manjaka i Kristy!

    ’Lay fanantenana aza afoy, sanatria!