HIRA 37

Hanompo Anao Amin’ny Foko Manontolo Aho

Hanompo Anao Amin’ny Foko Manontolo Aho

(Matio 22:37)

  1. 1. Avo Indrindra ianao, Jehovah!

    Hanompo anao aho, ianao no tiako.

    Tsy hivadika aminao aho,

    Ny hankatò anao no fidiko.

    ’Reo lalànao tsy mba hialako,

    Dia hataoko izay sitrakao.

    (FIVERENANA)

    Koa ny foko manontolo,

    Jehovah ô, atolotro anao.

  2. 2. Mankalaza anao, Jehovah,

    Ny zava-miaina sy ny tontolo.

    ’Zaho koa mba hidera anao ka

    Omeko anao ’zay ahy manontolo.

    Enga anie aho raha mbola miaina,

    Sanatria, tsy hiala aminao!

    (FIVERENANA)

    Koa ny foko manontolo,

    Jehovah ô, atolotro anao.