HIRA 134 Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao Mifidiana Raki-peo Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Salamo 127:3-5) 1. Ianareo, ry ray aman-dreny, Nanankinana harena hafakely; Dia zaza tiana sy lalaina, ’Zay tsy anareo, anareo ’rery. Iombonana amin’i Jehovah, Sady tsy foiny fa aina sarobidy. Koa tezao tsara mba ho hendry, Fa valisoa izy io no adidy. (FIVERENANA) Ny zanaka dia sarobidy, Harena soa tsy azo afindra. Ampio ho tia an’i Jehovah, Izay no lova tsara indrindra. 2. Ny fitsipik’i Jehovah, Aoka horaketinao ao am-po, Ary ampianaro isan’andro, Resaho na mandry na mifoha. F’izay no andrasan’i Jehovah, Andraikitra nankininy aminao. Ary enga anie ho hendry tsara, Ka hotahina ny zanakao! (FIVERENANA) Ny zanaka dia sarobidy, Harena soa tsy azo afindra. Ampio ho tia an’i Jehovah, Izay no lova tsara indrindra. (Jereo koa ny Deot. 6:6, 7; Efes. 6:4; 1 Tim. 4:16.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao (Hira 134) Tenin’ny Tanana Malagasy Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao (Hira 134) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016934/sign/wpub/1102016934_sign_sqr_xl.jpg sjj 134