HIRA 76

Hoatran’ny Ahoana Moa?

Hoatran’ny Ahoana Moa?

(Hebreo 13:15)

  1. 1. Hoatran’ny ahoana moa

    ny manompo amin’ny fo,

    Miantso ireo manetry tena,

    ny fony no kendrena?

    Iny ianao miasa mafy

    ka mamboly sy mamafy,

    Fa Jehovah ihany no

    mampaniry ilay voa.

    (FIVERENANA)

    Dia afa-po sy faly ianao

    fa manao sorona hoatr’izao.

    Ny fo sy saina sy ny hery

    ho an’i Jehovah irery.

  2. 2. Hoatran’ny ahoana indray

    raha mahita ondry iray,

    ’Zay mihaino amin’ny fo

    sy vonona hankatò?

    Misy ihany aloha masiaka,

    tsy manaiky hihaino antsika.

    Efa ampoizintsika izany,

    f’andao hitory ihany.

    (FIVERENANA)

    Dia afa-po sy faly ianao

    fa manao sorona hoatr’izao.

    Ny fo sy saina sy ny hery

    ho an’i Jehovah irery.

  3. 3. Hoatran’ny ahoana koa

    ny omena tombontsoa:

    Ianao mihitsy no fidiny,

    mahatsapa hoe ampiany?

    Mafana fo mitory,

    nefa tsy manery akory.

    Ireo mendrika àry antsoy,

    fa ny fotoana fohy.

    (FIVERENANA)

    Dia afa-po sy faly ianao

    fa manao sorona hoatr’izao.

    Ny fo sy saina sy ny hery

    ho an’i Jehovah irery.