HIRA 3

Ianao no Tokinay

Ianao no Tokinay

(Ohabolana 14:26)

  1. 1. Ry Jehovah ô, tao am-ponay

    ilay fanantenana,

    Dia niredareda toy ny afo,

    zarainay fa tsy tana.

    Nefa mafy koa ny iaretanay,

    mampamoy fo ’ndraindray.

    Ka ’lay afo tao am-ponay,

    toa nitsilopy indray.

    (FIVERENANA)

    Ianao ’lay aro sy andry

    iankinanay,

    Mitantana anay, toy ny ray.

    Miadan-tsaina izahay

    manao ny asanao,

    satria ianao no tokinay.

  2. 2. Hatanjaho, Jehovah, ny fonay

    f’ianao tsy hamela irery,

    Ary hanampy anay mba hisetra

    izay tadio mahery.

    ’Zay no hampiredareda indray

    ilay afo saika maty,

    Ka ho sahy hitory izahay

    fa tony ny ao anaty.

    (FIVERENANA)

    Ianao ’lay aro sy andry

    iankinanay,

    Mitantana anay, toy ny ray.

    Miadan-tsaina izahay

    manao ny asanao,

    satria ianao no tokinay.