HIRA 62 Ilay Hira Vaovao Mifidiana Raki-peo Ilay Hira Vaovao Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Salamo 98) 1. Hira vaovao Ho an’i Jehovah no hatao. Ny asany mahagaga, Torio sy ambarao. ’Ndao hanandra-peo; Ny fandreseny andao hambara. Izy no Avo Indrindra, Mpanjaka sy Mpitsara. (FIVERENANA) Dia hirao ’Lay hira vaovao! Mba hirao, Jehovah no derao. 2. Koa ankalazao Ny anaran’Andriamanitsika. Hiram-pifaliana, ’Ndao horedonintsika! Izy no derao Dia asandrato re ny feo. Tsofy ny trompetra, Ny lokanga tendreo. (FIVERENANA) Dia hirao ’Lay hira vaovao! Mba hirao, Jehovah no derao. 3. ’Zay etỳ an-tany Sy any an-dranomasina any, Ianareo havoana, Derao ny hatsarany! Dia ny lohasaha Sy renirano hankalaza; ’Lay Mpanjakantsika Hataontsika malaza. (FIVERENANA) Dia hirao ’Lay hira vaovao! Mba hirao, Jehovah no derao. (Jereo koa ny Sal. 96:1; 149:1; Isaia 42:10.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Ilay Hira Vaovao MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Ilay Hira Vaovao (Hira 62) Tenin’ny Tanana Malagasy Ilay Hira Vaovao (Hira 62) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016862/sign/wpub/1102016862_sign_sqr_xl.jpg sjj 62