HIRA 75 “Intỳ Aho Iraho!” Mifidiana Raki-peo “Intỳ Aho Iraho!” Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Isaia 6:8) 1. Esoiny sy hamavoiny ianao; Simbany koa ny lazanao. Lazainy koa hoe mpampahory, Ataony toy ny tsisy akory! Iza àry no hanadio izany Anaranao voaloto izany? (FIVERENANA 1) ‘Ry Tompo, intỳ aho iraho, Hidera ny anaranao. Raha tombontsoa tsy misy hoatr’izao! Intỳ aho, Tompo, iraho.’ 2. ’Reo sampy indray no mba tompoiny; Tsy misy tahotra ao am-pony. Omeny olon-kafa indray Ny toeran’i Jehovah Ray. Iza àry no hampahafantatra azy Fa ny Hara-magedona ho avy? (FIVERENANA 2) ‘Ry Tompo, intỳ aho iraho, Hilaza ny fitsaranao. Raha tombontsoa tsy misy hoatr’izao! Intỳ aho, Tompo, iraho.’ 3. Ao koa ’reo miantso mafy anao, Miandrandra hery avy aminao. Mba mila fampiononana izy, Fa be ny ratsy mahakivy. Iza àry no hampahery ireny Tso-po mangetaheta ireny? (FIVERENANA 3) ‘Ry Tompo, intỳ aho iraho, Hampianatra ireo tia anao. Raha tombontsoa tsy misy hoatr’izao! Intỳ aho, Tompo, iraho.’ (Jereo koa ny Sal. 10:4; Ezek. 9:4.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara “Intỳ Aho Iraho!” MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH “Intỳ Aho Iraho!” (Hira 75) Tenin’ny Tanana Malagasy “Intỳ Aho Iraho!” (Hira 75) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016875/sign/wpub/1102016875_sign_sqr_xl.jpg sjj 75