HIRA 1

Ireo Toetran’i Jehovah

Ireo Toetran’i Jehovah

(Apokalypsy 4:11)

  1. 1. Jehovah, ianao Loharanon’aina,

    ’Lay Mahery Indrindra, mendrika hoderaina.

    ’Zao rehetr’izao, asan’ny tananao;

    ’Reo no mampiseho ny herinao.

  2. 2. Tia rariny ianao sy manao ny tsara,

    Tsy miangatra mihitsy, rehefa ianao no mitsara.

    Ny Teninao rehefa tena jerena,

    Mampiavaka anao ny fahendrena.

  3. 3. Ny fitiavanao, tsy manam-paharoa.

    Ianao tia mizara, manome zava-tsoa.

    Ny anaranao hotorinay rehetra.

    Jehovah ô, ianao dia tsara toetra.