HIRA 83 “Isan-trano” Mifidiana Raki-peo “Isan-trano” Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Asan’ny Apostoly 20:20) 1. Tetezo foana aloha ’reo trano, Ny marina torio. Tetezo indray ’reo tokantrano, ’Zay mihaino dia ampio. Nanendry antsika anie Kristy, Hanao ’zany asa izany. ’Lay Fanjakana mantsy izao, Torina eran-tany. 2. Ny fitoriantsika isan-trano, Mitondra famonjena, Ka hiantso an’i Jehovah ireo Tso-po manetry tena. Hataony ahoana ’nefa moa No hino izay tsy reny? Koa mandehana àry isan-trano, Tadiavo izy ireny. 3. Koa isan-trano no andehano, Torio ’lay Fanjakana. Na dia misy aza tsy mandray, Anehoy fanajana. Ny anaran’i Jehovah no Ampahafantaro hatrany. Raha toa mazoto foana ianao, Hahita ondry ihany. (Jereo koa ny Asa. 2:21; Rom. 10:14.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara “Isan-trano” MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH “Isan-trano” (Hira 83) Tenin’ny Tanana Malagasy “Isan-trano” (Hira 83) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016883/sign/wpub/1102016883_sign_sqr_xl.jpg sjj 83