HIRA 54

“Ity no Lalana”

“Ity no Lalana”

(Isaia 30:20, 21)

  1. 1. Hafa tokoa

    io lalan’ny fiadanana io.

    Voalazan’ny Baiboly izy io

    ka tadidio.

    Io lalana io,

    natoron’i Kristy fahiny,

    Dia ’lay asainy

    izorantsika ankehitriny.

    (FIVERENANA)

    Io lalana io, io ihany no ifantohy.

    Jehovah izao miteny fa henoy:

    ‘Ity no lalana ka izory,

    Dia aza miala, aza mivily akory!’

  2. 2. Tsara tokoa

    io lalan’ny fitiavana io.

    Jehovah anie no miantso anao

    ka mba valio.

    Hanampy anao

    sy mba ho namanao no tiany.

    Izay lazainy araho,

    raha tianao ny hotahiny.

    (FIVERENANA)

    Io lalana io, io ihany no ifantohy.

    Jehovah izao miteny fa henoy:

    ‘Ity no lalana ka izory,

    Dia aza miala, aza mivily akory!’

  3. 3. Iray tokoa

    io lalan’ny fiainana io,

    ’Lay fomba fiaina

    tsara indrindra sy madio.

    Io lalan-tokana io

    no hany tsisy tsiny.

    Aza ialana mihitsy àry

    iny lalana iny!

    (FIVERENANA)

    Io lalana io, io ihany no ifantohy.

    Jehovah izao miteny fa henoy:

    ‘Ity no lalana ka izory,

    Dia aza miala, aza mivily akory!’