HIRA 45

Izay Saintsainiko ato Am-poko

Izay Saintsainiko ato Am-poko

(Salamo 19:14)

  1. 1. Izay saintsainiko ato am-poko

    Mandritra ny andro tsirairay,

    Dia tiako hampifaly anao,

    Hankasitrahanao, ry Ray.

    Ny alina aho raha miady saina

    Ka lasa tsy mahita tory,

    Dia hisaintsaina momba anao,

    Tsy hanadino anao akory.

  2. 2. Izay madio sy tsara laza

    No tiako hifantohan’ny saiko,

    Satria mba tiako ho sitrakao

    Izay ataoko sy lazaiko.

    Ny hevitrao, Jehovah ô,

    Dia maro, sarobidy koa;

    Ka enga anie ny Teninao

    Mba hosaintsainiko ao am-po.