HIRA 38 Izy no Hampahery Anao Mifidiana Raki-peo Izy no Hampahery Anao Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (1 Petera 5:10) 1. Jehovah niantso anao satria ianao tso-po, Nikaroka ny marina tokoa. Nahita ny mazava ianao rehefa nantsoiny, Tsy ao anaty haizina intsony. Nanokan-tena mba ho azy ianao, Ka dia nampiany foana hatram’izao. (FIVERENANA) Satria ianao voavidy, an’i Jehovah ianao, Dia izy no hiahy sy hampahery anao. Niaro anao hatram’izay ka hatram’izao, Koa izy no hiahy sy hampahery anao. 2. Aza manahy satria Jehovah tena tia, Homeny hery ianao ka matokia. Ny Zanany aza foiny ka maty ho anao, Nahoana ianao no tsy hampiany ’zao? Tsy hohadinoiny koa ny finoanao Sy ny fitiavana nasehonao. (FIVERENANA) Satria ianao voavidy, an’i Jehovah ianao, Dia izy no hiahy sy hampahery anao. Niaro anao hatram’izay ka hatram’izao, Koa izy no hiahy sy hampahery anao. (Jereo koa ny Rom. 8:32; 14:8, 9; Heb. 6:10; 1 Pet. 2:9.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Izy no Hampahery Anao MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Izy no Hampahery Anao (Hira 38) Tenin’ny Tanana Malagasy Izy no Hampahery Anao (Hira 38) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016838/sign/wpub/1102016838_sign_sqr_xl.jpg sjj 38