HIRA 112

Jehovah, Andriamanitry ny Fiadanana

Jehovah, Andriamanitry ny Fiadanana

(Filipianina 4:9)

  1. 1. Jehovah ô, androtsahy

    Ny fiadananao ’zahay;

    Ka mitalaho, mba izarao

    ’Lay fanahy ’zay mampiray.

    Kristy nanampy anay

    Mba ho lasa tafaray,

    Mba ho tianao, mba hampianao;

    Ka ho namanao indray.

  2. 2. Toa maizim-pito izao;

    Jiro ho anay ny Teninao

    Ka manoro mba hijoro,

    Tsy hivadika aminao.

    Manampy tsy ho very

    Ny fanahinao mahery;

    Omeo anay fa ilainay

    Hampitony, hampahery.

  3. 3. ’Zahay nangoninao,

    Tafaray manompo anao;

    Ka milaza, manazava

    Momba ny Fanjakanao.

    Fa ho avy ny fotoana,

    Ny ady rehetra dia ho foana.

    Tsy hijaly, hiara-paly

    ’Zay rehetra tafahaona!