HIRA 148 Jehovah no Mpanafaka Antsika Mifidiana Raki-peo Jehovah no Mpanafaka Antsika Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (2 Samoela 22:1-8) 1. Jehovah ô, ’zao rehetra izao maneho tokoa Hoe tena misy ianao, mahery sy tsy toha. ’Reo andriamani-kafa tsisy hoatr’anao, Resinao Ny fahavalonao. (FIVERENANA) Jehovah Mpanafaka, Mpiaro antsika, Ary azo itokiana amin’ny andro fahoriana. ’Sika mino sy feno herim-po mitory izany, Fa Jehovah no Mpanafaka, derao hatrany. 2. Ny fahafatesana mandrahona ny aiko. Ianao, Jehovah ô, no hany antenaiko. Mba omeo herim-po aho fa miantso anao, Ampio aho Fa mialoka aminao. (FIVERENANA) Jehovah Mpanafaka, Mpiaro antsika, Ary azo itokiana amin’ny andro fahoriana. ’Sika mino sy feno herim-po mitory izany, Fa Jehovah no Mpanafaka, derao hatrany. 3. Hiteny ianao, anaty kotroka mahery. Ny fahavalonao hatahotra sy hiery. ’Zay rehetra nokasainao tsy maintsy to Avokoa. Mpanafaka tokoa! (FIVERENANA) Jehovah Mpanafaka, Mpiaro antsika, Ary azo itokiana amin’ny andro fahoriana. ’Sika mino sy feno herim-po mitory izany, Fa Jehovah no Mpanafaka, derao hatrany. (Jereo koa ny Sal. 18:1, 2; 144:1, 2.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Jehovah no Mpanafaka Antsika MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Jehovah no Mpanafaka Antsika (Hira 148) Tenin’ny Tanana Malagasy Jehovah no Mpanafaka Antsika (Hira 148) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016948/sign/wpub/1102016948_sign_sqr_xl.jpg sjj 148