HIRA 9

Jehovah no Mpanjakantsika!

Jehovah no Mpanjakantsika!

(Salamo 97:1)

  1. 1. ’Ndao samy hidera an’i Jehovah!

    Ambarao fa mahagaga ny asany.

    Fa ny lanitra anie mba midera azy koa,

    ’Ndao isika hihira amin’ny fo.

    (FIVERENANA)

    Mifalia, ô ry tany, Sy ’reo nosy any ho any,

    Fa Jehovah no Mpanjakantsika!

    Ô ry lanitra irony, Ny habakabaka ambony,

    I Jehovah no Mpanjakantsika!

  2. 2. ’Ndao ’sika hanompo an’i Jehovah

    Eo alohan’ny seza fiandrianany.

    Ambarao mba halaza am’ireo firenena

    Fa Jehovah anie no famonjena!

    (FIVERENANA)

    Mifalia, ô ry tany, Sy ’reo nosy any ho any,

    Fa Jehovah no Mpanjakantsika!

    Ô ry lanitra irony, Ny habakabaka ambony,

    I Jehovah no Mpanjakantsika!

  3. 3. ’Ndao samy hanaja an’i Jehovah,

    Fa nataony Mpanjaka ny Zanany.

    Dia haetry ’reo sampy

    ’zay nohindrahindraina,

    Fa Jehovah kosa hoderaina.

    (FIVERENANA)

    Mifalia, ô ry tany, Sy ’reo nosy any ho any,

    Fa Jehovah no Mpanjakantsika!

    Ô ry lanitra irony, Ny habakabaka ambony,

    I Jehovah no Mpanjakantsika!