HIRA 30

Jehovah no Raiko sy Namako

Jehovah no Raiko sy Namako

(Hebreo 6:10)

  1. 1. ’Zao aho dia osa tokoa,

    Mora misento sy mitaraina,

    Nefa ny fiainako aloha

    Dia tsy mba very maina.

    (FIVERENANA)

    Izaho tsy mba irery,

    Satria eo foana i Jehovah.

    Tsy mba tsy marina izy,

    Hanadino fa tia azy aho.

    Fa miahy sy miaro izy,

    Ka manome ahy izay ilaiko.

    Raiko izy, Namako izy,

    Ka hoderaiko.

  2. 2. Lasa ny hatanorana!

    Ny andro mahory, mampitoloko.

    Nef’aho be fanantenana,

    Tsy mihena ny finoako.

    (FIVERENANA)

    Izaho tsy mba irery,

    Satria eo foana i Jehovah.

    Tsy mba tsy marina izy,

    Hanadino fa tia azy aho.

    Fa miahy sy miaro izy,

    Ka manome ahy izay ilaiko.

    Raiko izy, Namako izy,

    Ka hoderaiko.

(Jereo koa ny Sal. 71:17, 18.)