HIRA 13

Kristy no Modelintsika

Kristy no Modelintsika

(1 Petera 2:21)

  1. 1. Jehovah be fitia;

    Nahafoy an’i Kristy

    Mba hamonjena an’ireo mitaraina.

    Kristy koa tsy nanda,

    Nanetry tena mba

    Hoe ny Rainy irery no hankalazaina.

  2. 2. Toy ny sakafo ilainy

    Ny Tenin’ilay Rainy,

    Satria nanampy azy haneho fahendrena.

    Ny ainy aza nomeny,

    Ka izy no modely,

    Fa nankatò sady nanetry tena.

  3. 3. ’Ndao àry hanara-dia

    ’Zay nataon’i Kristy,

    Handeha hatrany amin’ny fahitsiana.

    Ny ohatra nomeny,

    Ny toetra sy fiteny,

    Araho raha tianao ny handray fitahiana.