HIRA 103

Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

(Efesianina 4:8)

  1. 1. Jehovah no nanendry ho antsika,

    Mpiandry ondry tena tia.

    Modely ’reo fa tsy mba masiaka,

    Mitarika ny dia.

    (FIVERENANA)

    Mpiandry nomen’i Jehovah Ray,

    Azo itokiana izy ’reo;

    Tia sady miahy ny ondry tsirairay,

    Ankasitraho sy ekeo.

  2. 2. Tsara fanahy sy miahy, mampitony,

    ’Reo tena mpiandry tsara.

    Ny ondry maratra dia hotsaboiny,

    Eo izy hikarakara.

    (FIVERENANA)

    Mpiandry nomen’i Jehovah Ray,

    Azo itokiana izy ’reo;

    Tia sady miahy ny ondry tsirairay,

    Ankasitraho sy ekeo.

  3. 3. Mampianatra izy ’reo ka manitsy,

    Miaro ny finoantsika.

    Atorony izay lala-mahitsy,

    Mba tsy ho very isika.

    (FIVERENANA)

    Mpiandry nomen’i Jehovah Ray,

    Azo itokiana izy ’reo;

    Tia sady miahy ny ondry tsirairay,

    Ankasitraho sy ekeo.