HIRA 77

Mamiratra ao Anaty Haizina

Mamiratra ao Anaty Haizina

(2 Korintianina 4:6)

  1. 1. Maizim-pito ’zao fiainana izao

    Nefa misy antenaina.

    Ny ampitso hitondra hazavana,

    Fa ho avy ny maraina.

    (FIVERENANA)

    Tara-pahazavana

    Anaty haizina izao

    No ento sy zarao.

    Ho fanantenana,

    Lasa ny alina izay,

    Hazava indray.

  2. 2. Ny fotoana miriotra tsy tana,

    ’Reo matory aoka hifoha.

    Hatanjaho, omeo toky indray

    ’Zay resy, namoy fo.

    (FIVERENANA)

    Tara-pahazavana

    Anaty haizina izao

    No ento sy zarao.

    Ho fanantenana,

    Lasa ny alina izay,

    Hazava indray.