HIRA 78

‘Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra’

‘Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra’

(Asan’ny Apostoly 18:11)

  1. 1. Raha tianao ny ho finaritra,

    Hahita harena maro,

    Ny Tenin’Andriamanitra,

    Torio sy ampianaro.

    Kristy nahay nampianatra,

    Nanohina ny fo.

    Ampio ho akaiky an’i Jehovah

    ’Reo mpianatrao tso-po.

  2. 2. Tandremo tsara ihany koa

    Ny atao sy ny fiteny,

    Modely ho an’ny mpianatrao,

    Harahin’izy ireny.

    Manaova fikarohana

    F’aza matoky tena.

    Ao amin’ny Baiboly ihany

    No misy tena harena.

  3. 3. Ny tena fahamarinana,

    Izay no asongadino.

    Dia manehoa fitiavana,

    Ny vavaka aza hadino.

    Efa eo daholo izay ilaina,

    Ampiasao am’izay,

    ’Lay mpianatrao handroso dia ho

    Mpampianatra mahay.