HIRA 65 Mandrosoa Foana! Mifidiana Raki-peo Mandrosoa Foana! Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Hebreo 6:1) 1. Mandrosoa, manehoa toetra tsara izao; Aoka hamiratra anie ny hazavana entinao! Dia ny fanompoanao mbola hatsarao, Fa Jehovah hanampy anao. Ho an’ny rehetra io asa io; ’Zay nataon’i Kristy, tadidio! Ka Jehovah Andriamanitra no itokio; Ny mihemotra fadio. 2. Mandrosoa, mazotoa, aok’ianao ho sahy; N’iza n’iza itorio, na manaiky na mandà! Mandehana isan-trano dia ambarao, Ka Jehovah no derao. Mety hisy ihany aloha ’reo tsy tia. Aza kivy ianao, mitoria! Fa manjaka Jehovah ka mifalia, Mahereza, matokia! 3. Mandrosoa, mijoroa, mahereza ianao; Hatsarao ny asanao, mbola be no mila atao! Dia ny fanahy masina no angataho; Izy hampahery anao. Izay liana rehetra jereo, Ka tsidiho, ampianaro avy eo. ’Zay hampiova ny fony àry no kendreo, Dia handroso izy ireo. (Jereo koa ny Fil. 1:27; 3:16; Heb. 10:39.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Mandrosoa Foana! MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Mandrosoa Foana! (Hira 65) Tenin’ny Tanana Malagasy Mandrosoa Foana! (Hira 65) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016865/sign/wpub/1102016865_sign_sqr_xl.jpg sjj 65