HIRA 61

Mandrosoa, ry Vavolombelona!

Mandrosoa, ry Vavolombelona!

(Lioka 16:16)

  1. 1. Vonona isika tsy miova hevitra;

    Tsy maintsy mitory fa tsy mba mihemotra.

    Manohitra mafy Satana

    Nef’isika tsy kivy, tsy mba miala.

    (FIVERENANA)

    Ry Vavolombelona, atrakao ny loha!

    Ny asan’ny Tompo ataovy amin’ny fo.

    Torio f’efa akaiky ny Paradisa izao.

    Fitahiana no hoentiny ho anao.

  2. 2. Miavaka ny miaramilan’i Kristy,

    Satria tsy mba tia an’ity tontolo ity.

    Tandremo ny fitondran-tena;

    Tsy hivadika isika na terena.

    (FIVERENANA)

    Ry Vavolombelona, atrakao ny loha!

    Ny asan’ny Tompo ataovy amin’ny fo.

    Torio f’efa akaiky ny Paradisa izao.

    Fitahiana no hoentiny ho anao.

  3. 3. ’Reo mpanakiana tsy mety mankatò,

    Dia maniratsira ny anarany ihany koa.

    Ka ’ndeha ambarao eran-tany

    Ny anarany sy ny Fanjakany.

    (FIVERENANA)

    Ry Vavolombelona, atrakao ny loha!

    Ny asan’ny Tompo ataovy amin’ny fo.

    Torio f’efa akaiky ny Paradisa izao.

    Fitahiana no hoentiny ho anao.